Last updated on janvier 9, 2020
Mijoro ny Akany Avoko Bevalala ankehitriny izay atolotra ho Tsangambaton’ny Jobily faha-55 taonan’ny Akany Avoko Ambohitrimanjaka.
Ny tantaran’ny Akany Avoko
Mijoro ny AAB (Akany Avoko Bevalala) ankehitriny izay atolotra ho Tsangambaton’ny Jobily faha-55 taona ny AAA (Akany Avoko Ambohitrimanjaka).
Taona 1959, nisy tondra-drano lehibe teto Antananarivo. Niteraka krizy sosialy ilay tondra-drano. Maro ny olona no manao heloka ka feno ny fonja. Nisy mpiasa sosialy atao hoe Elisabeth Dolder sy Sophie Van Welly, teratany Suisse izay niasa an-tsitrapo tao amin’ny fonja.
Gaga izy ireo raha nahita fa feno renim-pianakaviana sy zazavavy tsy ampy taona any am-ponja. Mbola azo arenina ny zaza tsy ampy taona hoy izy ireo. Nivory niaraka tamin’ny Asa Fanasoavana FFPM (Fiombonan’ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara) antsoina hoe FAFFIP tao Amparibe izy mirahavavy ka nizara ny hetahetany.
Nanaiky avy hatrany ny FFPM ary nanome ny toerana eto Ambohidratrimo izay fanomezana avy amin’ny LMS (London Mission Society).
Nandondom-baravarana avy hatrany tany amin’ny ministeran’ny Fitsarana sy ny ministeran’ny Mponina izy ireo ka nahazo fakatoavana avy hatrany. Ny taona 1964 no nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny Akany Avoko Ambohidratrimo (AAA).
Nankalaza indrindra ny faha-55 taona tamin’ny 6 Desambra teo. Tany am-piandohana dia nolazaina fa “Akany fanarenana ireo zaza tsy ampy taona nania ny AAA”.
Nivoatra ny tantara. Niova tsikelikely ireo karazana ankizy beazina ato amin’ny Akany. Ankehitriny izy dia lasa Akany Fanabeazana sy fiarovana ireo zaza tsy ampy taona tandindomin-doza.
Beazina aram-panahy, ara-tsaina ary ara-batana ny ankizy. Tohanana mandra-paha-tafita azy toy ny zanaky ny olona rehetra. Mahatratra 150 ny isan’izy ireo ankehitriny. Ny mpitsara ny zaza tsy ampy taona irery ihany no afaka mametraka sy mamoaka ny ankizy.

Araka ny tantara dia hamonjena ny zazavavy no antony nanorenana ny AAA. Rehefa misy zaza arian’ny reniny anefa ka mpianadahy dia tsy sarahan’ireo mpitsara ny zaza tsy ampy taona. Miha-lehibe ao amin’ny AAA ilay zazalahikely.
Izay no antony nahatonga ny AAA nitaiza zazalahy. Rehefa feno 14 taona ny lahy sy vavy dia sarotra ny manabe azy miaraka. Indrindra izy ireo efa manana olàna aram-pitondran-tena.
Nangataka toerana tamin’ny FFPM indray ny AAA ka nahazo ny toerana any Bevalala izay nantsoina hoe Akany Avoko Bevalala (AAB). Ny 17 Septambra 2017 no nafindra tany Bevalala ny ankizy. Mafy sy sarotra be ny fisarahan’ny ankizy mpianadahy. Sarotra ihany koa ny nitantana Akany roa izay mifanao atsimo sy avaratra.
Noho ny fitahian’Andriamanitra anefa dia vita soa aman-tsara ihany izany. Mijoro tsara ny AAB ankehitriny izay atolotra ho Tsangambaton’ny Jobily faha-55 taona ny AAA. Ny fomba fiasa sy fomba fiaina ao amin’ny AAA ihany no nobataina nakany amin’ny AAB.
Olana sedraina
Ambony ny toerana any amin’ny AAB sady feno vato. Sarotra ny mahazo rano madio. Amin’izao Jobily izao dia maniry hanorina lava-drano faharoa ny AAB. Mitentina 15 000 000 Ariary izany tetikasa izany ka mangataka tolon-tanana avy amin’ny tsara sitrapo ny Akany Avoko.
Toria Dimbiniaina