Ady amin’ny herisetra mpahazo ny ankizy. Nanome fampiofanana polisy 16 mianadahy ny Ecpat France.

Fiofanana avy amin’ny Ecpat France

Mbola maro ireo ankizy iharan’ny herisetra mamoafady eto amintsika. Noho izany nisy ny fanamafisana ny fahaizamanaon’ireo polisim-pirenena niarahana tamin’ny Ecpat France ny herinandro teny amin’ny FIP Antanimora.

Fiofanana momban’ny “fiarovana ny ankizy manoloana ny fanararaotana mamoafady”. Nizara ho vondrona efatra ireo polisy miisa 16 niofana ka vondrana iray isan’andro no niatrika fiofanana. Nampahafantarina nandritra ny fiofanana ny atao hoe fanararaotana mamoafady amin’ny ankizy.

Ecpat France

Ireo polisim-pirenena nahazo fiofanana avy tamin’ny Ecpat France.
cc: Book News Madagascar

Nazavaina ihany koa ny atao hoe ankizy sy ny mampiavaka azy. Nampafantarina ny antony mahatonga ny ankizy ho marefo amin’ny fanararaotana mamoafady. Nojerena ireo lalana iraisam-pirenena miaro ny ankizy manoloana ny fanararaotana mamoafady. Ary ny fijerena ny lalana malagasy mifehy ny fiarovana ny ankizy manoloana ny fanararaotana mamoafady.

Ny sehatra rehetra mpiaro ny zon’ny ankizy no iarahan’ny ECPAT France miasa amin’izao tetikasa izao. Nosafidiana ny polisim-pirenena satria izy ireo no mpisehatra voalohany eny ifotony. Ireny no mpiserasera amin’ny vahoaka sy ny ankizy.

Amin’ireny Kaomisaria ireny raha teo no tonga ny fitarainana raha sendra nisy tranga fanararaotana mamoafady atao amin’ny ankizy.

Tontosa ny Zoma 6 jolay lasa teo ny fizarana ny mari-pankasitrahana ho an’ireo polisim-pirenena miisa 16 mianadahy taorian’ny fiofanana nandritra ny efatra andro teny amin’ny FIP Antanimora.

Fiaraha-miasa eo amin’ny Ecpat France sy ny polisim-pirenena

Efa an-taonany maro no niara niasa ny ny ECPAT France sy ny polisim-pirenena eo amin’ny sehatry ny fiofanana. Andrasana araka izany ny fandraisan’ny polisy amin’ny maha fanararaotana mamoafady azy ny tranga mamoafady amin’ny ankizy.

Tokony ho voasoratra ao anatin’ny firaketana ny maha fandikan-dalana ny fanararaotana mamoafady. Tsy tokony hisy intsony ny fandeferana amin’ny tranga fanararaotana mamoafady. Mila atao laharam-pahamehana ho an’ny polisim-pirenena ihany koa ny fiarovana ireo ankizy.

Ankoatra izay dia nilaza ireo nahazo fiofanana fa tafiditra ao anatin’ny vinan’ny polisim-pirenena ny fanakakaizana ny vahoaka. Ao anatin’izany ny fitaizana ny ankizy Malagasy sy ny fiarovana ireo ankizy tsy ampy taona iharan’ny tsindry hazo lena sy ny fanararaotana mamoafady. Manampy ny fahalalan’ireo mpitandro ny filaminana ho entiny miasa ny fiofanana toa koa irin’izy ireo ny hitohizan’izany.

Toria Dimbiniaina


0 Comments

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

%d bloggers like this: