Mbola maro ireo olona mametraka ny lehilahy ho ambony nohon’ny vehivavy. Ny fiarahamonina dia mametraka ny lehilahy ho matanjaka sy mahery. Noho izany dia misy ny fiofanana momban’ny « toetra tena maha lehilahy ». Tanjona ny hanovana ireo hevi-diso apetraky ny fiarahamonina. Tsy tokony hisy ny fitsinjarana mitanila. Tokony hitovy ny lehilahy sy ny vehivavy. Nampahafantarina ireo tanora noho izany ny andraikitry ny lahy sy ny andraikitry ny vavy, tamin’ny alalan’ny fampiofanana nomen’ny Ecpat France.

cc: Toria Dimbiniaina
« Ilaina ny fanofanana toa izao », hoy i Maminiaina, mpiofana. Nilaza izy fa « nanova ny fomba fijeriny manoloana ny fizarana ny andraikitra eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy. Ireto farany izay mitovy, tsy misy ambony sy ambany ».
Vonona ny tenany hampita ny fahalalana norantoviny tamin’ny Ecpat France eny amin’ny mpiarabelona aminy.
Marihina fa mitohy hatrany ny fanofanana ataon’ny Ecpat France amin’ireo tanora lehilahy eny Ambohidroa. Fiofanana izay ahitana lohahevitra miova isambolana.