Last updated on janvier 4, 2018
Mila mailo hatrany manoloana ny valan’aretina pesta, na dia efa mihena ary ny isan’ny trangan’aretina hita. Ho fitohizan’ny fandraisana fepetra, nanolotra 2 tapitrisa dolara indray ny Masoivoho amerikanina omaly. Mahatratra 3,5 tapitrisa dolara ny tontalin’ny fanampian’ny Amerikana eto Madagasikara ankehitriny, noho izany.
3,5 tapitrisa ho fiadiana amin’ny pesta

Nanolotra 2 tapitrisa dolara ny Masoivoho amerikana tamin’ny alalan’ny Usaid, ho fanampiana ny Fanjakana malagasy hiady amin’ny valan’aretina pesta. Nambaran’ny Ambasadaoro amerikana Robert Yamate omaly ny fanolorany izany lelavola izany. Mifanampy amin’ireo vola natolotry ny vahoaka amerikana teo aloha izany ka mahatratra 3,5 tapitrisa dolara ny tontalin’ny fanampiana avy amin’izy ireo ankehitriny.
« Na dia mihena aza ny isan’ny tranga aretina pesta any amin’ny faritra an-tanàn-dehibe, dia ao anatin’ny vanim-potoana ahitana trangan’aretina pesta maro isika izao, ka ilaina noho izany ny fitandremana mba tsy hiverenan’ny aretina aty amin’ny faritra an-tanan-dehibe sy tsy ihanahany any amin’ny faritra ambanivohitra sy faritra maha-mateti-piavy azy, izay iainan’ny 66 isan-jaton’ny Malagasy », hoy ny fanambarana ho an’ny mpanao gazety nalefan’ny Masoivoho amerikana omaly.
Araka ny fanambarana hatrany, hampiasaina ity famatsiam-bola ity hitsaboana ny marary, hanomezam-baovao ny vahoaka Malagasy, ary hamporisihana ireo vondrom-piarahamonina manerana ny Nosy handray andraikitra mavitrika amin’ny ady atao amin’ny pesta. Entina hanamafisana ny fanarahamaso ihany koa ny famatsiam-bola mba ahafantarana mialoha ny aretina ary hanatsarana ny fahaiza-manaon’ny toeram-pitiliana sy fitsaboana, ary hitiliana ny aretina ara-potoana. Hanome fanafody tena ilaina sy fitaovana fiarovan-tena ary fanafody hafa ihany koa ny Usaid.
Hiara-hisalahy ireo mpiara-miombona antoka
Nanambara ny Ambasadaoro Amerikana Robert Yamate fa “nahomby ny fiaraha-miasa teo amin’ny Usaid sy ny mpiara-miombona antoka ho an’ny fampandrosoana ary ny fanjakana malagasy teo amin’ny fifehezana ny valan’aretina pesta aty an-tanan-dehibe. Sehatra sy rafitra efa misy no ampiasain’ny Usaid hanampiana ny ezaka ataon’ny fanjakana malagasy hiady amin’ny aretina satria mbola ao anatin’ny vanim-potoana isika izao.”
Faritra 15 amin’ny 22 izao no iasan’ireo mpiara-miombon’antoka, ary hanohy izany asa izany ny tambazotra tohanan’ny Usaid izay ahitana mpanentana ara-pahasalamana miisa 15.000. Ireo mpiara-miombona antoka amin’i Usaid, toy ny JSI Research and Training Institute, Management Sciences for Health, Population Services International, ny Institut Pasteur de Madagascar ary ny JHPIEGO dia hiara-miasa akaiky amin’ny Fanjakana sy ireo mpiara-miombon’antoka hafa eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana sy fanafoanana ny valan’aretina pesta.