harem-pirenena

Harem-pirenena – Mitaky fitantanana ara-drariny ny vondron’ny Fiarahamonim-pirenena

Mila mandrafitra fomba fijery lavitra hitantanana ny harem-pirenena ny Fanjakana. Mitaky ny fitantanana ara-drariny ny harena ara-boajanahary ny vondron’ny Fiarahamonim-pirenena. Mitaky fitantanana ara-drariny Manentana ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny mba hampihatra ny fenitra sy ny fitsipika mifehy ny fitrandrahana tomponandraikitra na ny “mine responsable” araka ny fifampitondrana sy ny fifampidiniana eo aminy Read more…

orinasa malagasy

Misy mitsinjo ihany kay ny orinasa Malagasy!

Nilatsaka ny valin’ny ampamoaka nifanoheran’ny SOMACOU, orinasa malagasy mpamokatra bodofotsy sy lamba samihafa tamin’ny fikambanan’ireo sinoa mpampiditra bodofotsy eto amintsika tamin’ny volana lasa iny, ka nandresy isika Malagasy. Nivoaka ary ny didim-pitondrana laharana 7094/MICA/MEF mikasika ny fandoavana ny haba fanampiny, ho an’ireo entana miditra eto Madagasikara mifaninana amin’ny vokatra misy Read more…

fifidianana solombavambahoaka

Fifidianana solombavambahoaka – Nihena ny taham-pivitrihana

31% ny taham-pahavitrihana ankapobeny vonjimaika tamin’ny fifidianana solombavambahoaka, araka ny antontan’isa voarain’ny CENI. Nihena dia nihena izany raha oharina amin’ny taham-pahavitrihana tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena tamin’ny volana desambra  2018. Nihena ny taham-pahavitrihana 31% ny taham-pahavitrihana ankapobeny vonjimaika tamin’ny fifidianana solombavambahoaka, araka ny antontan’isa voarain’ny CENI na ny Vaomiera mahaleotena misahana ny Read more…

tsilavina rakotoarisoa

Kandida Tsilavina Rakotoarisoa – Mametraka ny tombontsoan’ny vahoaka ho laharam-pahamehana

Laharam-pahamehana ho an’ny kandida Solombavambahoaka Tsilavina Rakotoarisoa ny fijerena ny hetahetan’ny vahoaka fa tsy ny an’olon-tokana na ny an’ny antoko. Tombontsoan’ny vahoaka Fijerevana ny tombontsoan’ny vahoaka fa tsy ny an’olona tokana. Izay no filamatry ny kandidà Tsilavina Rakotoarisoa, mirotsaka hofidiana ho solombavambahoaka ao amin’ny Boriborintany fahatelo. Anisan’ny mampiavaka an’ity kandidà Read more…

Neny Tiako Fifaliako – Vokatra Vita malagasy, “afterwork”, kilalao maro isan-karazany entina hamalifaliana ireo reny

Nisokatra omaly ny hetsika “Neny Tiako Fifaliako” izay karakarain’ny IKM. Vokatra vita malagasy, mpandraharaha vao misandratra, kilalao maro isan-karazany, “afterwork” sy “happy hour”, ireo no atolotry ny IKM mandritra ny hetsika, sady ahitana fanomezana maro ho an?ireo reny no ahafahana ihany koa manandratra ny Vita malagasy. Neny Tiako Fifaliako. Omen-danja Read more…